Aza ilaozanao (MBL)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatraiza ny fitiavanao ahy
Efa lasa lavitra sa tazako jerena
Raha toa ka atamberinao amiko ireo tsiahy
Dia foana avokoa ireo dina nofefena
Enganie ho sanatria
Satria tsy tiako raha hiova indray ny loko
Ilay noheveriko ho doria
Efa mamiko naleviko tsy adinoko ato am-po
Mihareta kely dia ho tonga isika roa
Hiaraka ifanampy sy hamita ireo adidy
Fotoana vitsy monja kanefa tena soa
Izany no iriana ka ho tsiahy sy ho tadidy
Mamiko ianao ka tsy foiko iray segaondra
Manonja ny ato am-poko raha tsy eo anilanao
Tiako ho fantatrao fa ny foko misendaotra
Rehefa iny ianao ka ilaza ny andao
--------
Rohy:
Sokajy : Tadidy
1631 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MBL
Nampiditra : rwican
Daty : 29/12/2016 03:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017