Nosantara (Merinaforever)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nosantara

Maraina indray ity ny andro,ny hazavana tomaratara.
Mitopy aminao ny fisainako,lavitra anao ry Nosantara.
Indro ilay masoandro mitsidika,vimbinin'ny fotoana.
Avy any antsinanana any,lavitra tsy hita manoloana.

O rey Razako,aiza ianareo,no tsy miteny tsy mivolana?
Sa ny saiko no lasam-borona,maro sento nohon'ny olana!
'Zao ventsoko izao nefa dia ataoko ho fifandraisantsika,
Na dia 'zaho irery aza no mimalo,f'ianareo rehetra tsisy hita.

Mahatsiaro tena angamba aho hatreto,fa toa teritery
Ka iniako alalahana kely indray kosa izato fomba fijery.
Ary inoako fa ny vetsovetsoko izay mipololotra avy ao anaty
Dia tsy ahy irery ihany fa iraisako amin'ny velona sy ny maty.

'Nareo zanan-tany,zana-drano,zana-drazana,tsinjoko eto daholo
Na Antananarivo,na Taipei,na Manille,na Jakarta na Kuala Lumpur.
Ny miaina Ankehitriny,na ireo ho Avy,na Masoandro amam-Bolana
Ireo Havana,Ray sy Reny,Zoky,Zandry,Zanaka ary Zafitsitorana.

Amiko ny lasa,ny ankehitriny sy ny ho avy, iray ihany
Ireo Razako,ireo havako,ireo ho taranako,ny rano sy ny tany
Anjara lovako,tinolo-janahary mba ho tiavina,ho lalaina
Tsy atakalo,tsy amidy,fangao hampalahelo,haningotr'aina.

Merinaforever
--------
Rohy:
1676 1
Hevitra mandeha
Merinaforever ( 22/03/2005 14:18)
-Devant la virulence de la francophonie,qui n'est pas seulement une entité politico-économique mais aussi identitaire,et culturelle voulant s'imposer.
-Devant le "chauvinisme de proximité et de promiscuité" representé par l'Afrique et la France(Phénomènes de Miss Manja,Malaika etc...allez les bleus!Centre Albert Camus;Juliens Lepers....)
-Devant l'acharnement de l'UA et d'autres entités économico-commerciales à integrer Madagascar (l'Imerina inclus) dans France-Africanité...(entre autre ex monnaie unique avec l'Afrique en 2016)
-Devant la toute puissance de madame "économie" qui ,seule veut faire la loi...(avec une pensée particulière pour nos frères de taiwan)
J'estime qu'il est opportun de tirer la sonnette d'alarme en posant la question fondamentale dans nos pensées:"qui sommes nous fondamentalement?".
rabona ( 25/03/2005 15:42)
amiko dia ianao irery ihany no tokony hanontany hoe iza ianao ary avy aiza ianao , satria aza hadino fa ny hakabetsahan'ny Malagasy DIA MAHAFANTATRA HOE AVY AIZA IZY donc taraiky loatra ianao raha izao vao hanontany tena hoe avy aiza ? ary mba ho reharehan'ny rzanao (tsy haiko raha merina na hova na takarana sy ny sisa) aoka mba ho modely ianao , ary aza hadino fa maro ny zatovo Malagasy mamaky ny tonokalo eto , na avy any atsimo na avy any andrefana na avy any antsinanana ,na avy any avaratra na eto ampovoantany , noho izany mangataka anao tsy hiteniteny foana tompoko
misaotra betsaka ary mino aho fa tonga tsara ny hafatra tiako hampitaina mba ho takatrao !!
mahereza!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102