Ny demokrasia (Merinaforever)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny demokrasia

Ny foko rehetra misy,tsy mitovy tombon-tsoa
Tsy mitovy ihany koa ny zava-kendrena
Ka ireo izay vitsy an'isa ihany no voa
Raha "demokrasia" no rafitra anefena.

Ataoko fa tsy mendrika ny "be noho vitsy"
Efa hatry ny ela 'sika no tokony ho nisinda
Nefa hatramin'izao dia tsisy hirika mihitsy
Satria voafatotry ny kabary tsara rindra.

Dia mino ve ianao fa 'zay mety amin'ny vazaha,
Dia hiety koa amintsika 'zay nozanahany
Hita maso eo,afa-tsy hoe azon'ody angaha
F'izay akotrika rehetra dia maty an-karanany

Taona arivo sivin-jato dimampolo valo
Natao ny fitsapana na ho "tsia" na ho "eny"
Vokatr'izany ary,inona no hira sy kalo?
Sendra be noho vitsy ka tsisy nahateny.

F'iza moa no nampanao an'io fitsapana io?
Moa va tsy ireo 'zay nandrodana ny antsika?
Fanontaniana hentitra io,ka raha lahy ianao valio!
Fa amiko dia mazava f'ireo no be fikafika.

Maro anie rey olona amin'itony vahoaka
No tsy mahalala akory ny mety hatao!
Fidio aho leiretsy,ity ny vary iray kapoaka
Fa rehefa lany aho omeko hena roa kilao!

Amin'izao fotoana dia mitohy foana izany
Ka ny rambony hatrany no mba anjarantsika
Efa latsaka lalina,mitrosona amin'ny tany
Satria tsy sahaza antsika,ny rafi-politika.

Dia izany ny rangory...mamono mahafaty,
Mambotry antsika Merina hatramin'izay
Ny fankahalana ihany koa,mila tsy ho tanty
Atao 'zay hahasempotra,...saronana lay

Raha mahamety ny hafa ny hozanahana
Azy ho azy ny azy,raha izay no safidiny
Ho an'ny Merina,tsy izay no fahafahana
Kandrefa isika indray no mizaka ny ngidiny

Ny tena mifanaraka amin'ny toetran-dRamerina
Dia rafitra mitovitovy tamin'ny faha-mpanjaka
Nefa "demokrasia" no tsy maintsy atelina
Dia i Frantsa-Afrika indray no mahazo laka.

Merinaforever
--------
Rohy:
2451 1
Hevitra mandeha
sonwin ( 10/04/2005 15:57)
mahaliana ka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127