Ny fitiavako voahosy (Merinaforever)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavako voahosy

Ny fitiavana ihany ,no lehibe indrindra
Ataovy an-tsaina, isaky ny mamindra
Izany no ampianarin'ny teny finoana
Ka ifananarana ,sy ifanoroana

Dia eny hoy aho,toy ny mpiasabe
Ka na aiza na aiza, dia hita sy re
Fa miramirana, sy feno tsikitsiky
Na mandeha miadana, na mivikiviky

Tiako daholo ,ny olona eto an-tany
Tsy hitako mihitsy 'zay maharatsy izany
Voaray amin'izany koa, ireo fahavaloko
Ka notsofiko rano ,tamin'ny tononkaloko

Ireo mpiara-miaina,mpifanakaiky trano
Mifampiriaria.... toy ny vary sy rano
Tsy nisy intsony :"Hebreo na Grika"
Tsisy hafa intsony, fa iray ihany isika.

Manontany tena ihany, aho nefa mazàna
Dia misy milaza fa, « nangolen'i Satana »
Mba nankaiza ho aho, ny "tanteliko teto"?
Fa toa hafa salovana, ‘reto zanako ‘reto!

Ny lahy matoa... mitovy be aminao
Hoy ilay vazaha... mpitana birao
'Lehio mantsy ,no mpampiasa ny vadiko
Tsara karama ,ka maivana ny adiko

Ilay lahy aivo indray,ara-boajanahary
Dia mitovy salovana ‘amin'ny Saonagaly
Fa fitiavana ihany ‘no lehibe indrindra
Ataovy an-tsaina ‘isaky ny mamindra

Fahasoavana...tsy misy hoatr'izany
Isan-taona 'lay vadiko, miteraka ihany
Tsy naharitra aho fa ,novakiako ny fitaratra
Nompaiko nataoko..."latsahan'ny varatra"

Hoy Andriamanitra:"mamenoa ny tany"
Fa ny fitiavako...tsy mba mety lany
Tsy misy intsony ,"Grika sy Hebreo"
Tsisy hafa intsony ,f'iray ihany ianareo

Ampiononiko ihany, ’ty foko mitraotra
Ny anaranao Andriamanitra,lehibe loatra
Ho anao irery anie ,ny dera sy ny laza
Ianao irery no mahita ,izay ho sahaza

Nandeha ny fotoana, ka lasa sahisahy
Mba nanontaniako indray, ry zalahy
Fa nahoana ho aho ,Imerina tontolo
No toa miofo hoditra,toa miova volo?

Dia hoy 'lay namana iray, raha niteny:
Alamino ny saina, mba tsy hirenireny
Tsy misy intsony :"Hebreo na Grika"
Tsisy hafa intsony ,f’ iray ihany isika.

Isika izao no adrisa tsy mifanary
Tsy hifankafoy toy ny rano sy vary
Nisava daholo ireo aizina taloha
Andriamanitra no fahazavan'ny loha

Tsapako anefa... fa nisy namafa
'Reo lovatoaviko...voasongon'ny hafa
Ny an'ny vahiny indray, no lasa lalàna
Niova fenitra daholo ,ny tao an-tanàna

Mifona aho Tompo,ka indro manoloana
Ny teninao mihitsy ve, no efa mivoana?
Sa ianao mihitsy , no mijery mitongilana?
Sao ny olombelona lahy no mandika vilana?

Ny antsonao toa nazava tamiko,kinanjo
Misy milaza hoe:ndeha soloy ny ankanjo
Firenen-kafa indray ve, no hitononako ?
Tsy izany mihitsy ,no hevitra ironako.

Mbola ireo daholo ,ny tontoloko fahiny
Fa ireto taranako, no lasan'ny vahiny
Izaho izay nitia indray ,no nihanahana
Toy ny akoho nikotrika, atondin-ganagana

Merinaforever
--------
Rohy:
1717 0
Hevitra mandeha
lianah ( 29/04/2005 10:02)
mampihomehy aloha ilay izy e,fa na dia izany aza misy ny hevitra azo tsoahina.Misaotra indrindra e.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094