FETIN'NY MPIFANKATIA (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza variana na sodoka amin'ity andro ity
Andro laizaina ho fetin'ny mpifankatia
Feno hetsika avokoa etsy sy eroa
Hetsika natokana ho an'ny olon-droa

Ny ambadik'izy ireny moa ve mba fantatrao?
Ts'inona izany fa fitadiavam-bola tsotra izao
Aza miandry fotoana manokana hifanolorana fitia
Tsy manam-petra ny fitiavana fa mandrakizay doria

Amin'ny fotoana rehetra mifanolora teny mamy
Aza miandry febroary vao hanatanteraka izany
Tolory fanomezana hatrany ny olon-tianareo
Fa raha vita izany dia ho sambatra ianareo

Ho mamy hatrany ny fifankatiavanareo roa
Ka ho tanteraka ilay tsodrano hoe lamban'akoho
Na inon-kidona na inon-kihatra, faty no hisarahana
Mifankatiava hatrany fa izay no lalam-pahasambarana


Hajanirina Mahavaly (14 fevrier 2020)
--------
Rohy:
1022 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 14/02/2020 07:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099