Tsy hay intsony (Mi'andry Berantoson)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko intsony

aleo aho hangina tsy hiteny intsony
satria fantatro fa efa lavitra ahy ny fony
Nanadino ireo teny sy toky maro be
ekeko rehefa izay aminy no zava-dehibe

Tsy haiko intsony izay mahazo azy
tena matotra ity fa tsy hoe vazivazy
Na ny fomba famaly aza lasa hafahafa
ilay fahazotoany taloha lasa zara raha mitafa

Tsy haiko aloha izay olany any ho any
fa na izaho miresaka aza toa tsy hahoany izany
Niova mihitsy izy nandritry ny andro vitsivitsy izay
izy ity ange tsy kilalao ka azo asiana "replay"!
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/miandry-berantoson/tsy-hay-intsony
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
1112 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mi'andry Berantoson
Nampiditra : tmjjah
Daty : 06/08/2014 12:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2497