... (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny retsiky ny hozatro no hany manambara
Fa iny aho ...
Mbola miaina!
Manoloana anao avelo !

Ny fihetsiky ny lohako no hany mitantara
Fa any aho ...
Mbola mihaino
Ny ritsok'alahelo!

Miondana ny sandrin'ny sakaizanao ianao
Ry tiako hankahalaina ...
Dia manonofy ratsin'
Ny afobenareo !

Mindrana ny zandrin'ny sakaiako izao
Ry tiako holalaina ...
Dia manonofy mafin'
Ny lani-tsy hiseho!
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
1015 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1488