You are here: home > Vetso

Fahoriana mamy - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

               FAHORIANA MAMY

Ny masoko mikimpy
Sy tanako mangovitra...
       tsapanao ve 'zany ?
Ny masoko mitsiky
Sy tanako mandrovitra
      Ny foko mitomany.....
      Mba tsapanao ve 'zany ?
Nezahiko nariana
Ny vetso anao mangina.
Tereko notoniana
'Lay kalon'ny tsy tiana ,
    Tsy mety fa mimpody
    Sy tsy sitram-panafody .
     Mandrakotra ny moron'alina
    'Lay alahelo lalina.

Nariako an- kodimirana
'Lay tsy azoko ihodivirana
Tsy tana fa mimpongatra;
Tsy mety mba ho fongotra.

Manko ankehitriny
Fa tiako tsisy tsiny
Ny malahelo anao.

Katsahiko am' izany
'Lay "fahoriana mamy"
Tsy vitanao atao.
                       Miarantsoa Anicet

Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

Malalason (25/11/2004 08:29:16)

mahereza r'se a! snif
R. JO

vetsoko (24/12/2004 15:38:43)

mamy nefa mampahory le fitiavana e!marina izany ry malalason a!tsy azo tsy atao anefa,tsy vita ny tena marina e !

SOBIKA (27/12/2004 15:29:38)

aretina itovizana re fa de mahereza a! ny ankoatra anao tsy hahatsapa na oviana na oviana fa refa tia enao anie ka tena tia tokoa ary tena vokatry ny fo ; ny saina moa de mpankato ary mamakafaka ihany koa! ny fitiavana toy izao de tsy in-2 mandry ambavahadinao koa aza menatra maneho FA TIA IANAO!

Hametraka hevitra

Midira aloha