I DADA (Miarantsoa Anicet)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Dada ,
Ilay niankin-drindrina irery…
Niaraka tamin’I Neny,
Ilay olona mahavariana
Fa nisotro ny rano tsy tiana ,
Ilay olona tsy nahalala sasatra
Fa naniry anareo mba ho lafatra.

Kanjo…Raha niteny izy tsy mba nohenoina.
Raha niantso tsy mba nisy nanohina,
Ny andro tokana atao mba ho azy…
Misy mihevitra ho vazivazy.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/miarantsoa-anicet/i-dada
Sokajy : Fianakaviana
2103 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 1.0842