LAINGO (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAINGO
Ny ondana voafihiko :
Nataoko d'hoe ianao !
Laingo a ! Marary ho anao ny foko .
Marary be kitrotro .
Hitahy anao ny Tompo :
Aleo re mba hitombo
Ao anaty ilay fitia e !
Tahian'ny Tompo indry !

Ny lamba izay tinafiko ,
Ny ondana na lafiko,
Ny rima eto am-pandriana ;
Mampahatsiahy hoe :tiana -
Tiana loatra i Laingo
Ka tsy haiko izay somaingy
Sy manantena irery.
O! Tia aho dia hiery?
Tsia ! Voalazako izy izay !
Handray ianao sa tsy handray e ?
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
1300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014