Mahantra (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHANTRA

Satria ve hoe sarety no fiara entinay
Dia tonga ianao hively sy hikapoka kibay?
Satria ve jiogan'omby no hany mba môtera
Dia tonga ianao hamotika, handavo sy hanjera?

Satria ve ratsiratsy raha miolotra ny anao
Dia tonga ianao hanilika sy hanala tsotra izao ?
Satria ve 'lay fandeha ... somary miadankadana,
Dia tonga ianao nanitsy , nisakatsakan- dalana?

Fa taiza ho aiza teto no nipoiran' ny harena ?
Dia iza tamintsika no nihinana ny hena ?
Dia iza tamintsika no nipatrapatra- dinitra?
Dia iza tamintsika no nanompo tsy mba vinitra ?

Fa , hono , kosa Raiko : mba zaza ahoana ireny...
Vao menamena vava sy tsy mianatra miteny
Dia vesarana harena ny tratra sy lamosiny ?
Ny sisa izay tsy zakany? Fonosiny ! Fonosiny !

Fa , hono, kosa Raiko : mba zaza ahoana indray...
Ireo vao mena vava sy tsy mianatra mandray
Dia vesaram-panompoana sy trosa miavosa ?
Mba ahoana ireny Raiko ? Dia mba ahoana kosa?

Fa misy ho'aho ny sasany, tonga teto niboridana.
Kanefa dia tsy mino fa raha handeha ka dia hiridana
Tsy hahavimbina fanjaitra. Mainka koa hihajahanja.
Na toy inona halehibe sy havesatry ny lanja.
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1119 3
Mpakafy: henika - sonwin - Miarantsoa
Hevitra mandeha
sonwin ( 05/12/2004 16:51)
Lalina indray iny sora-tananao iny...tena mety, ary tokony hampisaina ireo hiantefany...
vetsoko ( 07/12/2004 17:31)
misaotra anao mijery sy nanome anjara ho an'ny mahantra
Miarantsoa ( 08/12/2004 17:02)
Ka izahay izao mihintsy rangaha no ao anatiny !
Tsapanay ny fahantran' ny gasy maro an' isa.
Mahereza e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144