Maitso (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inty ny voa sy vony ; dia felana sy taho.
Ny foko sy ny fony tohizan'ny sampaho.
Aza dia triarina am'tanana botsiaka
Topi- maso nangalarina nanala irony hatsiaka.

Inty aho tonga indray , mbola kotsan-dranon' ando.
Tsy nahandry nilomay : te hahita anao masoandro.
Avelao aho handihandry eo ambony tongotrao.
alina eny tsy tafandry fa nanahy ny aminao.

Avelao aho hiondankondana eo ambony tratranao
Avelao mba hitotongana irony sento sy talaho.
Io ny molotro, eny ... mbola manitra fitia
Te hihazahaza teny hamaritana an'dry.

Ato anatiko maratra : mba toneo re ny tadio
'Lay fitia mpamaky tratra hoborahako eto anio.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1096 3
Hevitra mandeha
zakilinina ( 16/11/2004 15:13)
Misy ezaka natao amin'ny rima. Ny gadona koa mety na dia somary mavesatra aza indraindray.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104