MANIDINA (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANIDINA

Manidina eny an-danitra aho
Na dia tsy manan’elatra.
Tsy mahalala menatra.

Manidina eny ambony
Miaraka amin’ny fony.
Ny ankizy ety ambany,
Variana aoka izany;
Mitanatana vava
Mahita ahy miran-tava.

Milomano eny amin’ny habaka.
Dia ny rahona no ravaka.
Manidina eny isika.
Tsy mahalala hatsiaka.
Ny erika mifafy;
Erika madinika ‘zay mitsitapitapy.

Sambatra aho manidina
Miaraka aminao.
Avy eo indray mbola nidina
Tanaty rano tao.
Nilomano am-para-lalina ,
Tanaty nofy lalina.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
1856 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148