Miandry paradisa (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANDRY PARADISA

Ry rahalahy hajaina ...
Hangaina ka hangaina
'Zay hiantehitra amin' ny tany ....
Aleo misaina ny "Any ".
Ny eto manko izao
Toa ankizy milalao
Ka zay mafimafy loha
No mangorona avokoa
Ny kilalao 'zay an'ny namany .
Ataony mihosom-bovoka
Ny kely noho izy .
Dia ....Milalao ny ankizy.

Ô Ranabavy tiako
Fianainan- drikorikko
No hany ivelomana ...
Efa dia mitonantontona
Ka...Tsy vidin-katsembohana
No fitadiavam- bola:
Adola dia adola
Ny ravim- pitombenana....
Tsy misy fiambenana....
Tsy misy iray mivavaka
Ka latsaka any an- davaka.
Amidinao daholo
Ny tenanao tontolo .

Dia miandry ny olombelona...
Miandry Paradisa...
Tsisy iray manenina
Am' ratsy sy ny sisa

Fa miandry ny eto an- tany ....
Manantena ny ho any an- danitra.
kanefa ny hadalany
Tsy soloiny an ' Andriamannitra.

MIARANTSOA ANICET
Ho an' izay minia mikimpy amin' ny hadalany
--------
Rohy:
1085 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141