Mitady teny (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitady teny aho
Teny feno ratra
Amonoana ny tsiaro
Alahelo tsy omby tratra
Sy ny hadalana maro

Mitady ny molotrao
Hiteny handrava nofy
Handavoko ny avelo
Ambiroa tsy vory nofo
Tato an- tsaiko velovelo.

Mitady teny mihintsy aho
Teny e ! Teny mandratra ....
Teny mapatahotra
Sy mampihorohoro
Momba ny fitia....
Anefa ...
Tsy nikoro
Ny ianao ninia
Hanenjika ny satro- boninahitra
Nomeko ny fitia.

Mitady aho ...
Miharana...
Miharana ny teninao
Hamono ato an- tsaiko
Ny avelonao mavàny
Mitady anao lalaiko
Hamono anao ihany.

Teny a !...Aiza ianao ?
Ratrao ' ty foko adala!
Ratrao ts'hitia intsony
Izaho mikaroka ny fony!

Vonoiko kely im- polo
Ny avelonao mandolo.
Tsy mety maty anefa
Fa ny efa ihany no efa .
Izany rehefa adala!
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Dikan-teny
1241 5
Mpakafy: nyeja - Miarantsoa - sunny - NyKanto - henika
Hevitra mandeha
nyeja ( 21/11/2004 10:42)
efa tojo ny fitia dia toa mora hita ny teny ry miarantsoa fa efa sendra ilay atao hoe mafaitra entiny kosa dia gina tsy mahita ilay teny mifanahaka amin'izay,
tsara ilay tononkalonao mahereza, mendrika ny isa 5 izay nomeko azy ny sangan'asanao
Ny Eja
NyKanto ( 24/11/2004 17:16)
Ny Teny ENY sa moa TSIA
No tena irinao ?
ENY mbola tia, hiaritra hizara
Fitia tsy ho anao
Irery, sa TSIA tsy tia intsony
Kapoky ny fony
Hamono ny avelo sy hanala
Ny mangina
Hitondra tabataba amin'ny
Tontolonao sina?
...
Anoloanao ny ENY sy ny TSIA
Iza no tianao?
F'izaho raha mbola tia
Amin'ny toeranao
Dia aleoko aloha tsy handre
Hinia ho adalain'
Ilay Fitia tsy hita sy tsy re.

Ny Kanto. Novambra 2004
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154