Rahampitso vao maraina - Miarantsoa Anicet
Azo vakiana?
RAHAMPITSO VAO MARAINA
Hanainga aho rahampitso....
Vao mangiran- dratsy .
Hanainga.... tsy hitondra vatsy.
Ka ho lavitra anao .
Tsy ho hitanao intsony
Fa hahita anao hatrany.
Hanainga aho ....
Hanavatsava ny nofiko efa rava.
Hanavatsava 'ty alina efa ho lava.
Ho lavitra anao...
Fa hahita anao hatrany.
Eny an- dalana eny aho
No hioty voninkazo ....
Dia avy eo hihazo
Iny lalantsika iny .
HIoty voninkazo aho
Hatao an- dohafasan' ny fifankatiavantsika
Sy mba ho fampiononana ny foko mangatsiaka.
Misy mampionona ary moa tsy mionona..
Mainka fa tsisy mpampionona !
MIARANTSOA ANICET
Hevitra mandeha
nikopol (25/04/2005 16:03:56)
Miarantsoa hande ho aiza ary e? aleo mistance kely eto letsy a!
Mionona letsy ? atao aiza ary kiki raha ohatra ka.
lol
Masaka e
andriary (26/04/2005 14:24:17)
ho aiza eeeee!
Hijery anao eny an-tsefatsefaky
ny rihitra!
Hitazana ny endrikao , ifanenan'ny rivotra manontany hasambarana!
....
tsara ity tonokalonao ity
matihanina e!
Miarantsoa (26/04/2005 14:42:07)
MAhaiza mionona tokoa raNiko a ?
MIsaotra ry Andriary a !
Mankasitraka anareo e !
Mombamomba
Mpanoratra : Miarantsoa Anicet
Nampiditra : Miarantsoa
Daty : 25/04/2005
Mpamangy : 1276
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
J'AIME LES MOCHESMANOLOANA NY SARINY
I DADA
TAFAN' I DADA SY I NOFY
TENA FITIAVANA
MANIDINA
NY ZAZA MADITRA MAMPIJALY NY RENINY
FATY
RAHA TIA AHY IANAO
AIZA NIZANAKO