TAFAN' I DADA SY I NOFY (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAFAN’I DADA SY I NOFY

Aleo hatory i Dada !
Vizaka izy izao.
Rahampitso indray ianao
Mbola hitondrana mofo.
Dia matoria hoa Nofy
Fa vizaka eny i Dada.
Vizaka nihaza
Sy niharana sakafo.
Ataoko ho maty safo
Hatrany am-para-nofy
Fa…tafandriana leitsy
Ry Nofy sombinaiko.

Matoria aloha fa
Rahampitso indray misangy
Sy mamelona rarangy
Any anaty petsam-potaka.
Tandremo nefa potraka
Fa lalana iny manko
malama maina ihany.
Eh!...tany iny hoa ka tany.
Dia…izao aloha…matory.
Ramaraina…an-tsangory
No itondrako anao
Hioty voninkazo,
Handravaka ny vazy.


Matoria ialahy…
Aleo hatory i Dada.
Raha hendry tsara hatrany
Dia hitondrako vatomamy.
Andramo ange ny ditra
Fa ataoko iray mahita !
Ataoko iray ny loha,
Dia hongotako ny hoho.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
2127 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105