(tsisy lohanteny ) (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ah !
Ity masoandron- drazana!
Voa mampihetsi- bazana
Natoraka ny velona .
Hanina zara fa miselona.

Velona ! Sambatra ny akoho,
Tsy manana fanahy.
Fa... Eny, sambatra tokoa:
Tsy mba manana ahiahy.

Izaho: mitsaingoka madinika
Ny ambinambi-nofy
Nofy lo mandinitra
An' ito antontam-pofy.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
1188 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104