Tsy taom-baovao - Miarantsoa Anicet
Taona vaovao.....Mandra-paha aloha
Dia ekeko ihany ianao. Ekeko tsy amin' ny fo.
Fijery samy hafa no indro fa mivelatra .
Ny lanitra madity lazainao fa manjelatra.
Taona vaovao... Mandra- paha tokoa
Dia miainà aloha ianao. Ataovy izay ho soa.
F' izaho tsy hanaiky mihintsy raha mbola ohatra izao
No lokon' ny fiainana... ' Lay manga hoy ianao.
Raha tsy hitako mamony ny hazo novolena ,
Raha tsy hitako mitsahatra ny orana mandena ,
Raha tsy hitako efa vokatra ny vary izay nafafy,
Raha tsy hitako efa ho vao ny lamba sy fitafy,
Raha tsy hitako efa voky ny kibo mitofezaka,
Raha tsy hitako ho namokatra ny antonanton' ezaka
Raha tsy hitako eto an-tanana ny valin- katsembohana,
Dia mbola tsy hinoako ny mari-panombohana.
Matetika ohatra izao ... Dia isan- taona izao ?
No lazaina hoe niova ; niova, nihavao
Kanefa anie lalaiko ny volan' ny kankafotra
Dia ny omaly ihany ... Mainka aza toa nanafotra.
'Lay masoandro omaly mbola io misitri-belona .
Ny rahona omaly mbola ireo miselontselona.
Ny kintantsika halina toa tsy nitombo akory,
Ny volana amin' izany vao mainka mapahory.
Eny!...Fa mandra- pivadiky ny taona ho am' tena izy
Dia lazao hoe rediredy, lazao hoe hizihizy,
Lazao 'zay fantatrao , lazao ' zay fitsaràna .
Tsy maninona ambarao . F'izaho ...hanitsy ny hadalàna.
MIARANTSOA ANICET
Hevitra mandeha
NyKanto (04/01/2005 20:02:26)
Ekeo ihany aloha...satria tsy ho hita ety anie ny milafatra eh!
Tsara ilay tononkalo
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Miarantsoa Anicet
Nampiditra : Miarantsoa
Daty : 03/01/2005
Mpamangy : 1634
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
J'AIME LES MOCHESMANOLOANA NY SARINY
I DADA
TAFAN' I DADA SY I NOFY
TENA FITIAVANA
MANIDINA
NY ZAZA MADITRA MAMPIJALY NY RENINY
FATY
RAHA TIA AHY IANAO
AIZA NIZANAKO