Mirehitr'Iarivo (Mihaaj)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Loza iray, loza roa, loza telo
Indrisy nandalo teto Iarivo
Ilay afo nandrehitra helo
Nandoro, nandrava ilay ivo

Gina, latsa-dranomaso
Ireo mponina sisa tavela
Fa indro ilay tanàna nitafo
Toa ngazana nangenahena

Dia haingana tokotrany lahy
Ny fandravana sy fomba barofo
Nanimba ilay iarivo lahy
Nankaiza ilay fo nofo

E! mahamenatra sady maharary
Iza tokoa no hifaly ?
Satria toa nandrora nitsilany
Ho aiza ? indrisy mijaly

Nahoana eh, no toa miverina
Ireo nodiavintsika toa nierina
Fa aiza, nankaiza ny saina ?
No dia vonoina ny aina

Ô ry gasy, malaza ho hendry
Ny fihavanana efa tinendry
Nahoana no dia simbaina
Ilay lova izay nolalaina



Natao anio faha Talata 27 janoary 2009, amin’ny 10 ora sy 46 minitra alina.
Andro faharoa tamin'ny fandrobàna niseho teto iarivo vokatry ny fihoaram-pefy nataon'andian-olona nanoloana ireo toerana manantantara sy tranom-barotra na an’olon-tsotra na an’olom-bitsy isankarazany teto amin'ny tanàna.
--------
Rohy:
1373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mihaaj
Nampiditra : haaj
Daty : 27/01/2009 19:52
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096