A Z A (Mikalo nantenaina )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza ianao akory
manadala izato foko,
Fa ilay ratra nampahory
tsy mbola hoe "nanolatra"

Aza ianao mikiry
Fa...
Aleo hikisaka ny ora
Aleo hiodina ny taona
Fa hatram'izao?
mbola tsy afaka ny saona

Aza ianao mikiry
Mikosoka ny lasako
Fa...
Sao ianao indray
No hanitatra ny ratrako

Aza ianao misisika
Fa...
Aleo aho aloha ho tony!
Fa njao ianao indray
No hahalavo ahy fanin-drony!

...MIKALO NANTENAINA
--------
Rohy:
580 1
Mpakafy: mikaloofficiel
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mikalo nantenaina
Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 05/11/2020 09:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144