NY VAHOAKA SY NY HEVINY (Mikalo nantenaina )

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tapaho!
ny tady fa 'njao...
Ihanika fefy eo 'reo,
Dory!
Dory avokoa ny momba azy rehetra,
na ny taratasy nalefany omaly...
Mihitsy!
Aza asiana famotorana,
izay antony,
Itsaho!
Aza avela hifia,
hamaky tany ny voa novoleny
Araraoty am'izao ny fahalémeny
-
Eny
Tapaho,dory!
Itsaho!
Fa Inay 'reo hitroatra
hamaky vilany,
Tsy maintsy mivoaka ny hevi-bahoaka
ho setrin'izany
(mikalo nantenaina)
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/mikalo-nantenaina/ny-vahoaka-sy-ny-heviny
Sokajy : Hevi-bahoaka
521 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mikalo nantenaina
Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 03/09/2020 13:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2313