aza ajanona ny penina (Mikanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN'I MPANORATRA REHETRA MANERANTANY

AZA AJANONA NY PENINA...

Aza ajanona ny penina,
Fa ianao manana talenta,
Ambarao fa aza afenina
Fa ianao anie poeta...

Aza menatra akory...
Raha misy tiana ambara
Eny na dia sorisory...
Na ratsy na ho tsara

Aza ajanona ny penina,
Fa ny hafatrao dia hanasoa
Ambarao fa tsisy nenina...
Fa hitera-bokatsoa

Ambarao izay ao an-tsaina,
Na alahelo,hakiviana...
Irony mampitaraina
Irony fifaliana...

Fa ny hafatra teneninao
Ampy hanarina ny lavo,
Hitondra hery vao...
Hampisandratra azy avo

Na vetsovetso na tsiahy,
Na kalokalo mpatsiarovana
Irony aingan'ny fanahy
Na alahelo mampitorovana

Izay no hafatra hampitaina,
Izay no hafatra azo ambara
Anjaranao no misaintsaina
Fa mirary soa samy tsara
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina
1076 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098