MANINAO MOA ? (Mikanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maninona moa ?

Maninona moa ,raha atambatra ny hery;
ny kristianina hamonjy ny olom-bery,
akambana avokoa ny kritianina maro;
ny fiangonana aiza dia atao mifangaro

ny tanjona anie dia tokana ihany;
ny hamonjy ny olona amin'ny ratsy eto an-tany;
ka maninona moa raha atao tokana koa
ireo fiangonana mino an'i kristy jesoa;...

Fa tsy hilaozana fotsiny mifanaratsy;
ireo kristianina miomba-tsara vatsy,
satria ny kristianina rehetra tokana ihany,
ny anala amin'ny haizina sy ny fahotany;

koa atambaro ny hery ry mino rehetra,
dia tokana monja no ataovy tarigetra;
ny mino eto an-tany,tokana hanasoa;
tsy hifanaratsy fa homban'ny jesoa;

mety re izany fa maninona moa?...

Mikanto
17/07/14
9h12min
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1045 0
Hevitra mandeha
ramiarantsoa ( 08/10/2014 14:10)
Salama, tsara ilay tononkalo fa mba mahafinaritra kokoa raha tsy dia misy diso tsipelina loatra indrindra eo amin'ny Lohateny, misaotra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142