RESEO NY KOLIKOLY (Mikanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RESEO NY KOLIKOLY

Ndeha hiara-hitady,
Ka vonona hiady,
Hanala devoly,
Dia 'lay kolikoly

Raha manam-pinona
Dia azo vonona,
'lay fanetribe
Efa hita sy re

Any anaty birao,
Dia mifamahofao,
Hatramin'ny mpamboly,
Dia mahay kolikoly,

Ndeha ho resena,
Fa hanimba ny tena,
Fa raha tsy zany atsy ho atsy,
Dia hanjaka ny ratsy,...

Fa na finona toa voatsinampy,
Dia fototra hampandresy ny koikoly,
Afaka manilaka vatolampy,
Ahdeha ka sahia,raiso ny baiboly,


Reseo ny kolikoly,
Fa hitady ny marina,
Na inona hioly,!
Dia ny lalàna no hampiarina

Raha misy ezaka anio
Dia zao tadidio,
Fa hisy valisoa,
Avy amin'ny tompo tsitoha

Fa maro mpanohitra
Ny dingana atao
Ny ratsy iray vohitra
No hamingana anao

Tsarovy fa maro tsy tia
Ny dingana vita...
Kanefa matokia,...
Fa tsy maintsy tafita

Koa mitsangana aza miandry,
Tano ny herin-tsaina,
Fa sao ratsy fandry...
Ireo zanaka, sy menak'aina


MIKANTO
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1586 1
Mpakafy: mikanto01
Hevitra mandeha
arnaud michel ephraim ( 24/11/2015 06:05)
tena marina mints izan
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151