TARRATASIM-PAHAVALO (Mikanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
taratasy ho an'i Fahavaloko

Anio,06 oktobra 2014


Any ianao ry fahavaloko,

Faly miarahaba sy mirary soa ny fitahian'Andriamanitra ho anao,izaho manoratra salama tsara,ary mirary fahasalamana hatrany ho anao.
Ry fahavaloko,am-pifalina no hanoratako ho anao na
mpifahavalo aza isika.Ry fahavaloko,efa nangina aho ary mbola
mangina,nefa tadidio fa tsy midika ho faharesena akory ny fahanginako,tsy midika ho fahalavoana akory ny tsy fitenenako hatrizay.Fa kosa izay mangina volamena ,ka mamiratra hosena.Ianao aza no hisaorako tamin'ny fanenjehana nataonao ahy satria ny fanenjehanao ahy no nampirisika ny hambom-poko
hiezaka sy nitondra herin-tsina fa ny mpanenjika any aorina foana,ary tsy hahazo azy mihintsy satria impito voafingana ny marina nefa tafarina ihany...
Manao veloma anao aho,ary mirary ny fitahian-Andriamaitra hatrany ho anao sy ny fo vatonao mba hiova ho tena fo nofo marina,veloma ary mivavaka ho anao.


Hoy ny namanao,
tsy mandray anao ho fahavalo
--------
Rohy:
Sokajy : manokana
1402 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097