Mahaleova mahalasana ! (Miolapandry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka ho fantatrao, fa ianao lasana iny
Tsy iantsoako tody, na koa omena tsiny
Fa hoentina ambavaka, sy tena hotsofindrano
Hahita izay tadiavina, haharin-tokantrano.

Di’ aleo hivalona any ny omaly sy ny lasa,
Ataovy toy ny nofy ny zava-nokinasa.
Aza arahin-tsento ny tsy efa sy tsy vita
F’aleo hifarana eto ny mombamomba antsika

Raha toa mbola mandindona ny avelon’ ny fitiavako
D’izao no torohevitra omeko anao rahavako
Handory fatobolo amin’ ny fahasambaranao
Fa ho levona tsy ho hita ary hisinda sy handao

Manana ianao finoana, mereza koa mivavaka
Fa hany andro iray, mbola hisy olona hiavaka
Hangataka anao mba ho haingon’ ny akaniny
Hiangavy anao hitsetra sy hafama ny tomaniny

Miolampandry
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
2122 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144