Ndehana mahazo !!! (Miolapandry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndehana mahazo !!

Aza mba miavon-tsy feno re ry vorona mpifidy hazo ipetrahana, fa ndrao mitady ny malemy rantsana heverina ho mora hosena ity ianao, ka ho sendra ny be tsilotsilo tsy azo itoerana. Ny safotofoton-drivotra anie, hono, mamafy vovoka manditsoka ary ny savorovoron-drano mandrava voly, ka toneo aloha ny fo ary mandiniha lalina sy mba mieritreri-panahy, izay vao midingin-drambo toa amboa tsy azo iaraha-monina sy manangam-bovona amin’ izay maniry hiorim-paka. Asanao lahy, fa ny foko akory tsy sira hazo, ka atao filan-draha tsy mahita amin’ ny handrankandrana. Ny fatra mpifidy ny manganana rahateo no mbola ho tohatry ny mangidy tsy ho telina ! Koa jaikoy ny famindra, fa rarivato an-dohalika ny havanao, ka tsy azo anaovana dingan-dava. Saino lalina ny fanidina, fa ny habakabaky ny nofy anie rahavako no azo ivalamparana an’ eritreritra e, fa ny aty kosa taolan-trondro antitra ka tsy fanao telimoka ! Tsy mba satrim-parihy akory ny hivoa-pokata irery, fa ny vorona mpanifi-drano dia miala no be sotasota, ka mandoto ny rano niraisana ! Ndehana mikopaka raha te hiala, fa tsy fitiavam-boangory akory no hihinanam-boatay ary leom-boanana omaly ny aty ka tsy tia zava - boribory. Rafotsibe leon-tsokina ka matahotra tahon-kifafa ! Tsy ianao irery anie no raozy eto an-tany ka ataoko hampitomany e ! Ary tsy tokana akory ny lolo, fa izay lasa dia misy mpisolo !
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1095 0
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 26/03/2013 21:16)
Mahafinaritra ahy ity fizarana ataonao ity fa ahitako karazana ohabolana be dia be ! Soa e :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142