Ny tarigetram - piainako ! (Miolapandry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tarigetram - piainako !

Kepoka aho malala
F’ ianao ‘lay olon-tiako
Tokako aman - tany,
No indro niova lalana
Namily ny tantara
Ho any an - davaky ny ditra !

Tsy hitako ny ambara,
Fa tena toa mangidy
Tsy laitrako atelina
Ny tsiron’ ireo ratra
Natosaky ny jaly
Maningotra ny foko,
Noho ny zava - bitanao !

Dia tsy nisy ve
Ny lalana mahitsy
Mba azonao nialana
‘Rony fotaka malama ?

Sa ianao mihitsy
No te hanova lasy
Hanandran-java-kafa
Fa leo ny miara-miaina
Ato anaty trano bongoko ?

Nahita soa mamiratra
Sy fiainan-drentirenty
Ao anaty rendrarendra
Ka zary toa nanitsaka
Ny rovi-boridambako ?

Misaotra anao malala
Fa izaho no tena adala !
Diso sady meloka
Fa toa minia mitrifana
Sy koa manakantsakana
Ny fanirinao mafy
Hiankina eny an-tratrany !

Etsy zory zany dia
Fa ny fahasambaranao
No tena foto - pandreseko !
Sy tarigetram-piainana
Niriko hatramin’ izay.

Miolapandry
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1264 0
Hevitra mandeha
Mitantsotia ( 02/04/2013 15:15)
Tsara ny asa-soratrao :-)

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134