TSY AFAKA MANKAIZA….. (Miolapandry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hitako hotenenina
Tsy haiko hoe nafenina,
Fa tena niharihary
Sy koa nibaribary.
Ny diboky ny foko
Namafa ny toloko
Raha vao nahalala
Fa ho avy ianao malala

Nofy anefa izany
Fa maloka ny tany
Tsy tafahaona isika,
Na dia iray minitra
Ka indro fa nipitra
Sy koa nitsiriritra,
Niangavy ny hahita
Ty masoko midongy
Ka ndreo milongilongy
Toa zaza mila nono.
Naniry mba hihanoka
Ny hakantom - bikanao
Izay tsy tazany hatrizao !

Angamba any aoriana
Dia mety haminavina
Hilaza tsy hiamba
Na aza efa jamba
Fa tiany ho hita foana
N’ oviana koa fotoana
Ilay fitsikinao,
Izay kanto tsotrizao
Nambabo ny ao anatiny,
Sy nahalala ny miafiny
Ilay tiany sady maminy
No sady noandrianiny
Kanefa tsy mba nety
Nanaiky notantaniny
Sy ho ravaky ny akaniny !

Miolampandry
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
962 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014