You are here: home > Vetso

Vonjeo izahay - Mionitra

Azo vakiana?

Mikorisa sy mivarilavo
Izato fiainana ankehitriny
Tena hita tokoa fa lavo
Tsy mba toy ny fahiny

Mila ny famonjenao izahay
Ry Ray be fitia
Mba iantrao re
Ireto zanakao nania

Mahonena loatra mantsy
Ny mahita ny zava-miseho
Mba vonjeo re izahay
Ny Ondrinao jereo

Tompo be fiantra o!
Mitalaho aminao
Miandrandra famonjena
Izahay zanakao

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Mionitra


Nampiditra : Mionitra
Daty : 13/04/2010
Mpamangy : 1160
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

INTY AHO
RESY
FITIAVAKO IANAO
FAHATSIAROVANA SISA
TSY NAMPOIZIKO
TIAKO IANAO