Noro (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto am-pisakafoana, no injay henoko, ilay hira tokana
tsy lefin’ny fotoana, mbola injao manako, tsy manaiky ho foana.

Nokaloinao tsy an-tery, netanim-pitiavana, nanokatra ny fo
na tsy natao ho ahy irery, tanivon’ireo namana, noraisiko tokoa.

Firy taona izay no lasa, taona firy no nifandimby, mbola ao ihany ve ?
raha mahatsiaro izay kinasa, tsy very fa tadidy, notazomina tsy andeha.

Nitsiry ilay fitia, tsy azo nosakanana na nototofana tsy hiseho
f’ilay tsikinao akia, fanalahidy namahana, ny fatorana ka indreo

ny foko , ny saiko, ny tontoloko anio, ny ho avy tsy fantatro
niantso anao ry lalaiko, niantso mba kasio, fa babonao rahavako.

Tsy nino aho, tsy nihevitra mihitsy, fa ianao koa toa ahy.
Tao an-tsaiko ny talaho, fa ny zavatra nisy, samy toro ny fanahy.

Ianao nitady ahy, norakofam-pahamenarana, niahotra nangina,
velon-tsento nanahy, fa sao ho ferana, ilay fo mitady olo-tiana.

Izaho niafiafy, rehefa tafaray, nihaotra hiteny
hay koa ianao nihafy, f’ilay fitia nahamay, miandry ilay “eny”.

Fa na ilay fotoana, natao ho antsika, tsy lasana nandao
fa mbola teo foana, toa masoandro mibaliaka, niandry ahy sy ianao.

…Firy taona izay ry Noro, aiza ianao izao, mbola mahatsiaro ?
f’ity foko torotoro, nilaozanao nandao, mbola mikalo.

Ilay hiranao, tsy afaka an-tsaiko, noventesin’ity vavako
fa fitia tsy lalao no niainana ka tsy aiko no namoy anao rahavako.

Tsy mba nohisaina na noferana tamin’ny ora, na norefesina tamin’ny andro
fa dia nisaraka nalaina, saingy niala mora, nidify nilentika toa masoandro

ilay fitia izay niainana, mamy toa tantely, na dia fotoana fohy aza
indrisy singam-piainana, tsy naharitra velively, angamba tsy sahaza.

Na izany aza anefa, mbola anatiko ao, ilay endrikao tena mamiko.
Notazomiko tsy hilefa, tsy navelako andao, fa sarobidy tamiko…

Ry Noro ny fotoana, na dia kely fotsiny aza, niainako ny “tia”
an-tratrako ato foana, na fitiavan-jaza, entiko doria.
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fahatsiarovana
1889 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 01/08/2013 14:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149