You are here: home > Vetso

VOAFAFA - mlanto

Azo vakiana?

VOAFAFA

Voafafa ilay sarosikom-pitia
Izay noheverina hiraikitra ho doria
Satria angamba nisy nanao ankasoparany
Mba tsy haharitra hatramin’ ny farany

Voafafa, tena indrisy fa voafafa
Ilay fitiavana mamy efa lasa
Izay niredareda  mafy loatra
Te-hivoaka aok’ izany te-hitroatra

Voafafa ilay vovom-piainam-pitiavana
Izay nandoto ny fo madio maintso mavana
Voafafa satria toa nisy nanadio lava
Mba ho ariny any anaty damba

Voafafa fa saingy nisy singam-bovo-pitia iray
Toa tsy mety esorina fa ho eo rahatr’ izay
Mbetsaka ihany mantsy ny fitaovana efa nampiasaina
Fa arerahana, atsembohana, no tsapa ary niala-maina

Indraindray toa manelingelina ny tokonam-po ilay izy
Nefa efa loto fahiny fony mbola ankizy
Dia ilay singam-bovokin’ ny fitiavana voaloha..
Izay toa atahorana ny hifoha...

mlanto R.M

Sokajy : Alahelo, Fisarahana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : mlanto

Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014
Mpamangy : 799
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

ILAY
HO ANAO
ORY
HELO sa LANITRA
NIANGAVY
BABO
IZA ?
AMPY AHY
RAOZY
TSAROVY