Any ianao (mpandalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao ry tiako, lavitra ny foko
Moa mba fantatrao fa izaho aty ka mitoloko?
Tsy eto anilako eny ianao, indrisy!
Ka ny hafanana izay ilaiko,
Nolalaiko taminao ry aiko
Na dia sombiny aza tsy mba misy.

Any ianao ilay nofidiko mba ho ahy samirery
Moa mba fantatrao fa izaho aty ka manirery?
Te hiantoraka any aho, eny na dia izao ankehitriny izao
Nefa indrisy, sompatra ny elanalan-tany
Ka tsy avelany aho na dia hanopy maso fotsiny ihany
Fa voafetra ny azo atao, hany hery manoratra ho anao.

Any ianao, inoako fa mba toa ahy
Tsy tafa-tombona mihitsy na ny saina na fanahy
Fa mivezivezy te hanakatra ny volana
Sao mba azo hafarana iny hanambara ny ao am-po
Na mba afaka hitsidika hampombaina zava-tsoa
Fa tsy ho zaka intsony ny alahelo nony injay misedra olana.

Any ianao sasa-miandry ny fotoana izay hodiako,
Ka manafatra isan'andro an-tranokala mba hiaviako
Nefa indrisy,
Voafetra ihany zany
Noho ny elan'elan-tany.
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - Fitiavana
2610 0
Hevitra mandeha
Malita ( 24/04/2010 06:03)
"Any ianao sasa-miandry ny fotoana izay hodiako,
Ka manafatra isan'andro an-tranokala mba hiaviako
Nefa indrisy,
Voafetra ihany zany
Noho ny elan'elan-tany."

Tsara, tena tsara, mankasitraka
ampelah ( 27/04/2010 20:13)
Tiako, mafy zany tia lavitra olon-tiana zany ...

"Any ianao ... izaho aty,
Maniry mafy ny ho eo anilanao
Saingy feranao ity foko tia
Tsy hitroatra, tsy handray vorom-by ...
Moa va tsy tia ahy intsony ianao ?
Ahiahy, isan'andro vaky zao ..."

tsial ( 17/06/2010 09:08)
misaotra an'i Malita sy ampelah
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mpandalo
Nampiditra : tsial
Daty : 22/04/2010 12:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102