You are here: home > Vetso

Mbola ilaina ve? - mpandalo

Azo vakiana?

Mbola ilaina ve ny ranomainty
Hametrahana tantara?
Sao dia efa manakaiky
Ny hiavian'ny anjara.

Mbola ilaina ve ny ventsoventso
Hanangonana tomany?
Sao dia efa atsy ho atsy
No handaozana ny tany.

Mbola ilaina ve ny disadisa
Hamoronana ahiahy?
Sao mba efa kely sisa
Dia ho rava ny tsiahy.

Mbola ilaina ve ny tambitamby
Hamerenana fitia?
Sao dia efa zary sangy
Tafahoatra, mampihemotra ny dia.

Mbola ilaina ve ny hiverenana
Amin'izay rehetra vita?
Sao hanjary hanenenana
Raha tsy ho tody ery am-pita.

Hevitra mandeha

hery (26/11/2009 08:48:20)

Hmm, mananontanona ve ny 2012? :-)

tsial (26/11/2009 09:08:43)

hery: tsy ny 2012 akory no farany. Fa mety efa atsy ho atsy ....tsy azo vinaniana.

Mombamomba

Mpanoratra : mpandalo

Nampiditra : tsial
Daty : 25/11/2009
Mpamangy : 1082
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mifalia!
Aza variana
Any ianao
Tsy tantinao
Tsiky asolo sento
Angamba hoy aho
Fa nahoana...?