You are here: home > Vetso

Tsy tantinao - mpandalo

Azo vakiana?

Na lazainao ho maditra,
Na lazainao hoe be loha
Na lazaina ho bebe fika
Na lazainao ho jiolahim-boto;

Izay ilazanao ahy tsy ahoako
Fa ny fantatro hatreto
Ny tato am-poko no nivoaka
Dia ireo noheveriko fa mety;

Na lazainao ho mivaona
Na heverina ho mania
Na raisinao ho zava-poana
Na atositosika ho mahia;

Tsy mampaninona avokoa
Izay tianao hamehezana ahy
Na ho ratsy na ho soa
Tsy hampiova ny fanahy.

Fa efa fantatra mialoha
Ny lalana tsy maintsy hodiaviko
Ary mbola averiko ihany koa
Tsy ianao no hamaritra ny hoaviko.

Ny rehetra vitako hatrizay
Dia ampy hamintinako ny lasa
Nivantambantana aho, mazana nivaivay
Raha tsy tantinao fa miavaka amin'ny hafa,
Inona no mbola andrasana, sa latsa?
Sao lahy vao mainka tsy ho zaka.

Sokajy : fiainana, Hambom-po

Mombamomba

Mpanoratra : mpandalo

Nampiditra : tsial
Daty : 25/11/2009
Mpamangy : 1128
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mifalia!
Aza variana
Any ianao
Mbola ilaina ve?
Tsiky asolo sento
Angamba hoy aho
Fa nahoana...?