AMBADIKY NY SENTO - Myh'Andry
Azo vakiana?
Ao ambadiky ny sento,...
Misy embona miserana sy ranomaso te hilatsaka
Misy avelom-pahatsiarovana mivatsy rahona matevina
Misy sombin'alehelo sy hatsembohana mipatraka,
Ary misy koa taraina sy toloko tsy voalevina.
Ao ambadiky ny sento,...
Misy hiaka miantso vonjy sy mitady filaminana
Misy fo maratra mafy hitadiavam-panafody
Ary saina miady irery anatin'ny aizim-pahanginana
Nefa misy koa, feo iray mahery vaika mivazavaza miantso tody.
Mbola ao ambadiky ny sento,...
Misy kalokalo teraka nolaroina ranomaso
Dia nisy endrika nitsiky saingy tojo fahakiviana
Nisy koa famoizam-po fa saika lavon'ny ankaso.
Nefa tojo famonjena ka foana teo ny fijaliana.
Fa ao ambadiky ny sento...?
Misy hafaliana miafina tsy hita akory ho tantaraina
Misy tsiky saika saron'ny alahelo iray nametra.
Misy vetso iray mibitsika sy mivimbina herin-tsaina
Dia misy kalom-pahafahana tsy ho levon-kerisetra.
"....Ao ambadiky ny sento maro zava-mifangaro,
Fa misy tsikim-pifaliana nefa misy avelon-tsiaro..."
"...ao ambadiky ny sento mody misy tsiky fatratra,
Nefa misy miafina ao ny ranomaso tsy nilatsaka..."
Myh'Andry (12/09/19)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 17/09/2019
Mpamangy : 383
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
NOHO ILAY FITIAMALAGASY HATRAIZA?
ILAY MALALANAO TALOHA
Elle , maman.
IZANY RENY IZANY
TETO TAMIN'IZANY....
SATRIA IANAO DIA NAMAKO..
ALAHELO
TSY MISY NENINA
IRAY IZAHO SY IANAO