You are here: home > Vetso

AOKA - Myh'Andry

(...)
Aoka tsy ho simbana amin'ny rivo-pandrosoana,
Ny maha izy anao..
Fa kajio sy hajao,
Ny fiainanao tontolo,
Aoka tsy ho dontoina amin'ny fanatontoloana
Fa tandrovy mba ho mendrika
Tsinjovy tsy ho rendrika.
Nefa kosa aoka mba tsy ho bobongolo,
Ka lazaina indray hoe tara,
Tsy maharaka tantara.

Aoka tsy ho ravana amin'ny vola aman-karena,
Ilay fihavanana taloha,
Ilay firaisaim-po.
Fifankatiavana mijoro,
Aoka tsy harodana raha toa efa nekena,
Aza avela koa hikoro,
Ka ho potika sy toro.
Nefa kosa aoka ho mailo raha toa tsy te haratra
Fa misy ny olona hafahafa
Havana raha misy patsa.
Aoka, aoka.

Myh'Andry

Hametraka hevitra

Midira aloha