ATAOVY FANTANY - Myh'Andry
Azo vakiana?
Any ho any hoe: misy fo iray tsy mitsahatra midoboka
Manantena hatrany hatrany sy mitia anao mangina.
Misy saina tsy mahatombina nefa miahotra hiroboka
Ndrao voaratraratra fotsiny raha toa ka tsy ho tiana.
Any ho any hoe: misy fo mitepo sy saina tsy mba tony,
Te hitia anao sy ho tiana saingy, matahotra horatraina.
Dia misy fitiavana efa taitra ka tsy te hatory intsony,
Nefa indrisy kosa fa marefo sady tsy ampy tokin'aina.
Any koa hoe mbola misy: saina miandry rotsirotsy,
Vatana mitady safo sy fo miandrandra tambitamby.
Dia misy koa fitia iray mba miandry fanomezan-toky,
Ary koa fanahy misento manantena anao hisangy.
Dia bitsiho ataovy fantany fa misy miandry foana
Ilay hany tambitamby sy rotsirotsy mba hatolony.
Bitsiho ataovy reny fa na rahoviana hoe fotoana?
Dia vonona izy hiandry ny hanorohanao ny molony.
Myh'Andry
25 Feb. 2020
Mombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 17/12/2021
Mpamangy : 252
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HITSO-DRANO AZY AHO RahaAvelao aho ho any
VINANY ADALADALA
AN-DALANA
VONINKAZO SOA (Ho an'i Neny)
SAINGY EFA LASANAO...!
Niova izy
LAZAO IZY FA.....
HANGINA AHO!
HAFA MIHITSY