Ekeko hoe mafaitra ny mis (Myh'Andry)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko hoe mafaitra ny misaraka amin'ny tianaSaingy, efa lalana voasoritra tsy afaka hidifiana
Tsy maintsy hoe zakaina na inona ho ngidiny
Ekena izay voalaza dia hajaina izay safidiny.
...
Etsy ho tsofin-drano r'ilay malalako fahiny
Mirary fahasambarana an-tratran'olona iny
Mahaleova, mahalasàna, ho maro dimby, fara
Dia mirary soa ho anao fa ny antsika no tsy anjara.
Dia aza akory sainina iny ranomaso latsako iny
Fa tso-dranon'olon-tia, hahasambatra ny tiany
Myh'Andry 2023
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/myhandry/ekeko-hoe-mafaitra-ny-mis