You are here: home > Vetso

FA SAINGY RAHOVINA - Myh'Andry

Azo vakiana?

Rava sady foana
T'anaty ampaham-potoana
Ny toky ny voady.
Dia hadinonao sahady
Ireo dina nifanaovana sy voady tamin'iny
Nefa, mandehana fa tsy tsiny.

"Tiako ianao f'indrisy
Efa izay no zava-misy"
Ka moa ataoko akory?

Eny e! misaotra anao nitsipaka
Fa ny tany moa rahoviana
Vao ho tondraka hafaliana
Ka ho lavitry ny toky miaro fitapitaka e?

Dia rahoviana koa ny lainga?
Rahoviana no hanainga
Ka hivarina any an-kady tsy hiverina eto intsony?
Izany anie ka nofy, ny tsara dia mitony.

"Mitony manadino ny lalana nandratra"


Myh'Andry
11 - 05 - 2021