FARA-EMBONA - Myh'Andry
Azo vakiana?
Angamba ity no kalo, farany hokaloiko
Ho anao ilay nanadino nikosoka ny amiko
Fa mifarana eto anio ny sento sy toloko
Moa ianao tsy ahy fa endrika nindramiko.
Angamba ity no faran-taratasy ho soratako
Handrakitra an-diary ireo tantara lasako.
Fa vizana ny saiko ka tsy te hamisavisa
Moa ny ranomaintiko, madivadiva ho ritra.
F'ity sinoratro eto ity no hany sisa fara-hafatro
Hamangivangy anao any an-tany lavitra any
Fa ambadiky ny anio, hinoako kosa f'ho voafafako.
Ny vongan-dranomaso an-tavako mikoriana sesilany.
Eny! ity no fara-embona hamaky ny habakabako.
Handrotsy mangina ry tokana tsy anjarako.
Ity no sisa fara-hira handravaka ny vavako.
Hiraiko koa anao ry saika ho malalako.....
Myh'Andry(24/10/19)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 24/10/2019
Mpamangy : 61
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY MISY NENINAIRAY IZAHO SY IANAO
SORATY FOANA
AO AMBADIKY NY SENTO
NY ZANAKO
AMBADIKY NY SENTO
TSIKY
NY AFON'NY FITIAVAKO
HO NAMANAO FA SAINGY...
IREO POETA IREO