You are here: home > Vetso

HAFA MIHITSY - Myh'Andry

Azo vakiana?


Malala a! maro ny tsara, tsy laviko izany
Fa amiko ianao ilay tokana an-tany.
Dia ilay sarobidy tsy mba foiko atakalo
Voninkazo voafidy t'anatin'ny maro.

Maro dia maro ireo izay tsara jerena
Saingy varahina ireny f'ianao volamena.
Ianao ilay mamiratra tsy mety mihofo
Mpanjaka mitoetra ao anatin'ny foko.

Ianao fanafody raha sendra aho marary
Ilay antom-pisiako, na ory aho na faly.
Ilay tokana an-tany tsy hananako maro
Mampihevona kely raha sendra mahatsiaro.

Malala รด! Tsy vitsy no tsara f'ianao hafa mihitsy
Mandrendrika maso rehefa mitsiky.
Ilay mahatorotoro ny fo sy ny saina.
Mamelom-bolo raha toa aho malaina.




Myh'Andry
04 - 09 - 2021