HAFATRA MIALOHA - Myh'Andry
Azo vakiana?
Marihana fa vokatry ny aingam-panahy fotsiny ihany no nanoratako izao tononkalo izao..
HAFATRA MIALOHA
Raha ho avy izay ho fetra handaozako ny tany
Dia raràko mafy ianao tsy handrotsaka tomany
Fa hany fotsiny iangaviko ny ao an'efitranonao
Asio sombin-tsiaro ho ahy raha toa ka azo atao.
Aza ankalazaina akory ho ren'izao tontolo izao
Hoe lasa nody fa tsy tana ilay sakaiza maminao
Fa veteso mangingina any am-ponao lalina any
Tononkalom-belovelo, tononkiran'ny tomany...
"Nahafinaritra hoe ny teto saingy aloka niserana
Nahafinaritra hoe f'indrisy, hasambarana noferana
Vovoka ka hody ho vovoka fa mihelina ny tany,
Mandalo vetivety monja, fa ny fiainana dia any...."
Nefa kosa ny endrikao, aoka hadio mangatsakatsaka
Mba tsy hisy soritr'alahelo na dian-dranomaso latsaka
Ny voninkazo koa raha mety, mba sitrako raha azo atao
Misy soratra hoe "TIANAY" , dia raozy mena tokan-taho.
Anio, voasoratro ito hafatra ito,
Fa ankamantatra ny ampitso(...)
Myh'Andry
19 Martsa 2021
"Ny olona dia tahaka ny zava-poana,
Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina."
Salamo 144 : 4
Mombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 19/03/2021
Mpamangy : 499
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tamin'ny ora voalohany vaHiteny izao ianao hoe: Ni
ZATRA
... Izy ilay niloka ny t
HITSO-DRANO AZY AHO Raha
Avelao aho ho any
VINANY ADALADALA
AN-DALANA
VONINKAZO SOA (Ho an'i Neny)
SAINGY EFA LASANAO...!