You are here: home > Vetso

HANGINA AHO! - Myh'Andry

Azo vakiana?

Hanidy ny vavako tsy hiteny intsony
Mba hanefy ny saiko, hiezaka hitony,
Dia hanova tantara, hamafa ireo lasa
Hikosoka tsiaro, hanadio ny ratra.

Hangina aho,

Hiezaka hitraka aho, hiezaka hitsiky
Hitony ao anatin'ny minitra vitsy
Hanamafy ny saiko ho sahy sy hijoro
Hanangana fototra mba tsy hikoro.

Hangina aho,

Hangina kanefa tsy ho mandrakizay (fa)
Mbola ho avy ny andro hitenenako indray,
Saingy, mahandrasa kely ry volana ambony
Androany no maloka fa ny ampitso ho tony

Dia tsy hangina aho......



Myh'Andry
Alahady 19 Desambra 2021