You are here: home > Vetso

HIFONAKO IREO LASA - Myh'Andry

Azo vakiana?

HIFONAKO IREO LASA

Ray ô!
Maro be ireo hadalako tsy miafinao aminao
Efa haiko hoe tsy tsara fa mbola hiniako atao.
Raha toa ka hatotaly ny lasa sy ny androaniko
Dia tsapako tsy misy mba didinao voatandriko.

Ray ô!
Efa ela aho no nahalala f'Ianao dia malahelo
Raha toa aho tsy voavonjy, very anatin'ny elo
Nefa izany rehetra izany toa tsy niasako saina
Fa izay sitrapoko ihany no toa hikelezako aina.

Ray ô!
Raha tojo fitsapana aho dia matetika no kivy
Ka manasoaso Anao hoe miangatra izay tsy izy.
Miteny ratsy mihitsy ilay fo mila hisendoatra
Entim-pahatezerana, mandroatra te hitroatra.

Ireny hadalako ireny, ireo masoko mijery
Ity saiko mora kivy, mpianjona ombieny.
Ny foko kely adala sy ny teniko mandratra.
Jesosy ô! Nanenenako, Hifonako ireo lasa

Myh'Andry
22.06.2021