You are here: home > Vetso

HITSO-DRANO AZY AHO Raha - Myh'Andry

Azo vakiana?

HITSO-DRANO AZY AHO

Raha sendrasendra hoe, tazanao izy iny
Eny an-dalana eny mitantana ilay tiany.
D’izao tenenina azy, “hono hoe sambara
Fa tsy arahiny alahelo ny fitiavana tsy anjara

Raha tampoka hifanena hoe aza misalasala
Fa ho vitany eny foana ilay modimody adala
Ka raha misy mahatsikaritra iny topi-masony iny
Dia tsotra hoe havaly, olom-pantatro fahiny”
(...)
Fa efa sambatra izy zao, an-tratran’olon-tiany
Dia hitso-drano azy aho fa tò izao ny faniriny.
Kosehiko ato an-tsaina ilay mba nofinofinay
Hoe “lahikely anakiroa dia vavy kely iray”

Hitso-drano azy aho ho tanteraka ny nofiny
Hoe teny mamy foana no handravaka ny sofiny
Dia ho sambatra izy, fa izay no hetahetany
“Saingy tsy hadinoiko ny mamy izay napetrany”



Myh’Andry
27/01/2021