You are here: home > Vetso

HO NAMANAO FA SAINGY... - Myh'Andry

Azo vakiana?

HO NAMANAO FA SAINGY….

Tsy ataoko akory ho olana ny hoe hamela ny helokao
Fa kosa raha ny hiverina, aoka mihitsy angamba izao e!
Mantsy raha saina sy eritreritro dia efa tsy any intsony
Tena  efa niova voninkazo, ary efa sitrana sy tony.

Tsy sanatria akory aho tezitra raha meherihery teny
Fa tsy te hahatsiaro intsony ireny ratram-poko ireny,
Tsy ho hadisoako kosa angamba ny hisitaka handao
Ilay nofinofiko fahiny fony teo an-tratranao.

Aoka intsony tsy hifoha ny tantara efa mangina,
Efa dotra sady rava ilay mba hany kely faniriana.
Ka aza manameloka ahy amin’ny zavatra efa vita,
Fa ianao na mbola tia dia tsy anjara raha antsika.

Halamino aloha ny saina, ny fo no aoka mba ho tony,
Fa raha ny momba antsika indray,tsy miverina intsony,
Tso-drano no hany sisa atolotro ho an’izay hisolo toerana
Izaho manaiky ho namanao fa saingy asiana elanelana.

Sokajy : Ady, Fitiavana, Malalaka

Hametraka hevitra

Midira aloha