IANAO ❤️ (Myh'Andry)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hirahirainy fatratra hoe..
Ianao tsy tonga lafatra,
Fa nahababo ny fitiavany
Tena haingo sy firavany.

Hono, ianao tsy fanamperana
Saingy ataony tsara toerana
Hibahana ny fony
F'ianao tsy foiny intsony!

Ny marina dia izao e,
Hono tsy mba misy ny tsara mihoatra anao
Raha ny amin'ny fijeriny,
Fa mantsy ianao no anjeliny.

Fa mantsy ianao safidiny,
Mantsy ianao malalany!
Dia ilay rava-tsarobiny
Iriany hiravaka ny anarany.

Hono ianao masoandro hanazava ny tontolony
Fa fototry ny tsiky mandrakava ny molony.
Hery sy ho andriny amin'ny adiny sy ny olany
Anatin'ny haizim-pito dia ho kintana amam-bolany.

Fa tiany ianao ka tiany




Myh'Andry
2023
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/myhandry/ianao-
184 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2706