You are here: home > Vetso

ILAY MALALANAO TALOHA - Myh'Andry

Azo vakiana?



Izao no hafatrafatra,
Hitady izay ho anjara sy hitady tonga lafatra?
Tefeo aloha ny saina, honony hatreo ny fo,
Fa tsy misy mahasolo ilay sakaizanao taloha.

Ianao anie no adala e!
Izy iny tena tia fa saingy ianao no niala.
Ravanao ny sainy sady voaratranao ny fony,
Narary ange izy iny fa ankehitriny dia efa tony.

Izao indray ianao mitady,
Mikaroka olon-kafa mba hisolo toerana azy,
Saingy aza manantena ny hahita fahasambarana,
Eo ambonin'ny alahelony tsy misy fitsaharana.

Fa tsy ho zakanao ny tody,
Todim-paty hono aza misy fa fitia no aoka hanody.
Hitady fahasambarana, honony  aloha ny fo,
Fa tsy misy hahasolo mihitsy ilay malalanao taloha.

Myh'Andry
22/04/202

Hametraka hevitra

Midira aloha